Добавить
Уведомления

Point de presse PS du 20 août 2020

Tafatafa niarahan’Atoa Rivo RAKOTOVAO, Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ny mpanao gazety Naneho ny heviny manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fitohizan’ny hamehana ara-pahasalamana izao ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO androany alatsinainy 10 aogositra 2020. Noresahiny tamin’izany ny tokony hanatsarana ny fomba fandraisana fanapaha-kevitry ny fitondram-panjakana satria hita fa tsy mifanojo amin’ny filan’ny vahoaka malagasy izany. Tokony hajanona hoy izy ny hamehana ara-pahasalamana fa ny fanatsarana ny fepetra ara-pahasalamana no tokony hohamafisina. Tokony jerena akaiky ihany koa ny fahasahiranana sy ny fijalian’ny vahoaka eo amin’ny sehatry ny fihariana, ny fitsaboana, ao anatin’izany hamehana ara-pahasalamana izany. Nolazainy fa ny vahoaka malagasy dia mitaintaina foana amin’ny fiandrasana ny fahataperan’ny 15 andron’ny hamehana ara-pahasalamana. Nasiany fanamarihana ihany koa ny mahakasika ireo fitaovana entina mitsabo izay nafarana efa tamin’ny volana martsa kanefa izao vao tonga, ilay tsindrona andrana izay natomboka tamin’ny 01 jolay ary nambara fa tokony hivaly ao anatin’ny 15 andro kanefa hatramin’izao mbola tsy fantatra ny amin’izany. Mahakasika ireo vatsy zaraina isam-pokontany dia nambarany fa tokony asiana fangaraharahana ny fomba nahazoana ireny fanomezana sy ny fanampiana ireny. Teo ihany koa no nilazany fa tokony efa ela no nirosoana tamin’ ny « digitalisation » ary tokony hatsaraina ny fomba fiasa amin’ny fanatanterahana izany mba tsy hisian’ny korontana. Manoloana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana amin’ny fividianana ireo vokatry ny tantsaha dia nambarany fa tokony efa tamin’ny niaka-bokatra no nanaovana izany satria amin’izao izy ireo efa ao anatin’ny maitso ahitra, izany hoe efa any amin’ny mpanangom-bokatra daholo ny vokatra.

Иконка канала Звездный свет
9 подписчиков
12+
16 просмотров
год назад

, чтобы оставлять комментарии